(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Zavamahagaga nabontsina sa fasana? Nahazo eso ny rantin'i Hong Kong [1]

['Oiwan Lam']

Date: 2024-07-23

Ao anatin'ny “Night Vibes campaign”, fanentanana ao Hong Kong handrisihana ny olom-pirenena sy ny mpizahatany hamelona indray ny fiainana andavanalina ao an-tanàna, dia nisy ireo andian-java-mahatalanjona eran-tany goavana dia goavana, anisan'izany ny Stonehenge any Angletera, ny Nosy Paska any Shily, ny Piramidan'i Gize any Egipta, ny Tilikambon'i Pisa ao Italia, ary ny Arc de Triomphe any Frantsa, aseho ao amin'ny Central Harbour Front ao an-tanàna eo anelanelan'ny 5 Jolay–11 Aogositra 2024.



Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny Central Venue Management (CVM), mpikarakara ny hetsika, fa aingam-panahy avy amin'ny asakanto Armeniana AI Studio Joann ny fampirantiana, “Inflatable Wonders” [Zavamahatalanjona Abontsina], ka amoahan'ny artista iray famariparitana amin'ny antsipiriany ny zavamahatalanjon'izao tontolo izao abontsina tamin'ny alalan'ny fampiasana FaVO (IA).

Miloko fotsy ireo zava-mahatalanjona nabontsina ao Hong Kong ireo amin'ny antoandro, raha ravahan'ny jiro sy loko marevaka kosa amin'ny alina. Feno fanesoana tao amin'ny media sosialy rehefa nieli-patrana ny sarin'ilay fampirantiana tamin'ny 5 Jolay 2024. Maro no nilaza fa toy ny vato fasana ilay “Stonehenge nabontsina” miloko fotsy ary toy ny lay maitso ampiasain'ny polisy hanaronana faty aorian'ny lozam-pifamoivoizana ireo “Pyramide nabontsina” mirehitra maitso :

Netizens are continuing to mock the new “Inflatable Wonders” art installation at Central Harbourfront, with some comparing the green-lit Pyramid of Giza to the green tents police use to cover dead bodies.

Misy ireo mihevitra fa ninian'ny mpikarakara fampirantiana nosorohina ny fampiasana jiro mavo tamin'ny piramida noho ny sivana ara-politika. Mazàna ampiasaina ny loko mavo hanehoana ny vondron'ny mpomba ny demokrasia ao Hong Kong, ka nisoroka ny fampiasana ilay loko ny mpanaingo ao an-toerana. Nanamafy ny fiheverana ny fanaovana sivana amin'ny loko amin'ny zava-kanto ho an'ny daholobe ny fisian'ny tarehimarika mavo roa amin'ny afisy goavam-be amin'ny zavakanto napetraka, ‘Linning Up’, nosaronana takelaka volondavenona tamin'ny volana lasa teo.

Nanasongadina ny famerana ny safidin-doko ao an-tanàna ilay mpanao sariitatra ara-politika Ah To:

阿塗’s cartoon today… “Full of air, full of big heads, full of art” 1- Ugly! 2- Wrong proportions! 3- And the Pyramids are yellow! 4- There is no yellow in Hong Kong… pic.twitter.com/UutBWTM5tR

Tafiditra ao anatin'ny SummerFest@Central ireo napetraka ireo, hetsika karakarain'ny Central Venue Management (CVM), mpandraharahan'ny tahala misahana hetsika ao amin'ny Central Water Front. Nambaran’ny CVM fa nahazo alalana tamin’i Joann izy ireo hamorona zava-mahatalanjona abontsina, na dia tsy nandray anjara tamin’ilay tetikasa aza ilay artista ary tsy nahazo onitra noho ilay tsiri-kevitra.

Nampiasa FaVO (IA) i Joann hanoloana ny zava-mahatalanjon'izao tontolo izao amin'ny zava-mahatalanjona abontsina. Maro no mahita fa manintona ny sary FaVO surreal, ary nalaza haingana tao amin'ny Instagram izany tamin'ny taona 2023.

Mahavalalanina ireo sary vokarin'ny FaVO satria sarotra tanterahana ara-java-misy ny hevitr'ilay mpanakanto. Raha tsy afaka mametraka zava-mahatalanjona amin'ny tena halehibeny ny mpikarakara fampirantiana, dia tsy mety hitovy amin'ireo zava-mahatalanjona navoakan'ny FaVO ny kopia. Ny tena ratsy, maro no mahita, ary anisan'izany i Joann, fa ratsy ny kopian'i Hong Kong.

Koa satria nalaza anjotra haingana ny sarin'ny “zava-mahatalanjona abontsina” ao Hong Kong, dia nilaza tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny Yahoo News ilay mpanakanto fa “tena ratsy” sy “tsy bikàna tsara” ireo novokarina:

The only thing is, I don’t like my name on this ugly exhibition. But the concept is mine. So I would love it to be stopped.

Nanoratra tao amin'ny Instagram ihany koa i Joann fa sahala amin'ny fasana ilay fampisehoana, ary nanaratsy kokoa ny fampisehoana ny jiro:

Artist Joann says “Inflatable Wonders” exhibition inspired by her resembles “inflatable graveyard”, but organiser vows to press on https://t.co/eXfPUSpY2c pic.twitter.com/zGThY5DAcP

Nandritra izany fotoana izany, namaly ny CVM fa nanolana ny sarin'ny fampirantiana ny sary malaza anjotra. Nilaza mihitsy aza ilay mpiandraikitra, Grace Au, fa noforonina ilay sarin'ny piramida miloko maitso, saingy niaiky taty aoriana fa nalain'ny mpanao gazety nandritra ny andrana ny jiron'ny fampirantiana.

Tsy nanampy tamin'ny fijerin’ny besinimaro ny fampirantiana ny valin-kafatra nataon’ny mpikarakara. Na ny fampahalalam-baovao mpomba ny mpitondra vatsian'ny fanjakana, Wen Wei Po, aza namoaka tantara iray maneso ilay fampisehoana.

Tsy sambany ny zava-napetraka teto an-tanàna no nahazo fanesoana. Teo aloha, noheverina ho tsy ampy famoronana sy ny novidin'ny mpandoa hetra lafo ny fampirantiana balaonina Chubby Hearts, tetika natao hisarihana mpizahatany.

1/ Authorities refused to tell @HKFP how much taxpayer money was given to the Chubby Hearts #HongKong art installation.

Not long after we submitted an access to info request, they finally said the project had received around HK$7.8 million. https://t.co/SubSGKZrqV https://t.co/7BednMaVQV pic.twitter.com/4Vs6QpWsdl

— Tom Grundy (@tomgrundy) February 17, 2024

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/07/23/170681/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/