(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ireo Afrikàna Tatsimo maneho hevitra manoloana ny governemanta vaovao fiaraha-mitantana tarihan'i Cyril Ramaphosa [1]

['Zita Zage']

Date: 2024-07-06

Nanamarika kihon-dàlana manan-tantara ireo fifidianana natao tamin'ny 29 May tao Afrika Atsimo satria sambany no tsy vitan'ny African National Congress (ANC), antoko teo amin'ny fitondràna, ny niantoka ny fahazoana ny maro an'isa ilaina. 40 isanjaton'ny vatom-pifidianana ihany no azon'ny ANC, tsy nahadingana ny tokonan'ny 50 isanjato izay tena zavadehibe ilaina mba hitantànana tsy misy teritery. Teren'io vokatra io ilay antoko mba hanangana governemanta iraisana, izay manamarika fiovàna goavana amin'ny fahavitrihana mifidy, sy ny fanovàna endrika ny tontolo pôlitikan'ilay firenena.

Nandritra ireo fifampiresahana ho fananganana ny fiaraha-mitantana, nanana safidy ny ANC, na hanangana fiarahana amin'ny Democratic Alliance (DA), Mkhonto weSizwe (MK), ary ny Economic Freedom Fighters (EFF), izay nahazo saika ny 22 isanjato, ny 14,6 isanjato, ary ny 9,5 isanjato tamin'ny vatom-pifidianana avy. Cyril Ramaphosa avy amin'ny ANC no nahazo ny 159 tamin'ireo seza 400 ao amin'ny antenimiera, fihenàna mitaha amin'ireo seza 230 azony tamin'ny 2019. John Steenhuisen avy amin'ny DA dia nahazo seza 87 ao amin'ny parlemanta, ny MK antokon'ny filoha taloha Jacob Zuma nahazo seza 58, ary Julius Malema avy amin'ny EFF nahazo seza 39.

Raha jerena ny hoe ny DA dia fahavalo pôlitika hatrizay ho an'ny ANC, maro ny olom-pirenena no nanantena fa hiaraka hiasa amin'ny MK na ny EFF ny ANC. Kanefa, araka ny notaterin'ny African Feeds, dia tamin'ny DA ny ANC no nanao fifanarahana fiarahana mitantana. Ny alin'ny fivoriana voalohany nataon'ny antenimera vaovao tao Afrika Atsimo no nanaovana ilay fanambaràna, ka tao i John Steenhuisen, mpitarika ny DA no nanambara tao anatin'ny kabary ho an'ny vahoaka fa amin'ny alàlan'ny fifidianana ny an'i Ramaphosa ho filoha, hatsahatry ny antokony ny fanoherany hatry ny ela ny ANC. Ireo antoko roa, miaraka amina antoko maro hafa, dia nifanaaiky fa hanangana governemanta iray fiaraha-mitantana misokatra. Ny antoko Inkatha Freedom, izay manana an'i KwaZulu-Natal ho toy ny toeram-pamaharany sy ireo antoko madinika hafa miisa 10 eo ny fitambarany, anisany ny Patriotic Alliance (PA), dia isan'ireo ao anatin'ilay “governemantan'ny fampiraisana.” Ampahany amin'io fifanarahana io, i Annelie Lotrie, mpikambana avy amin'ny DA no hofidiana ho lefitry ny filohan'ny antenimiera. Nandà ny tsy handray anjara ao anatina governemanta ahitàna ny DA ny elatra havia hiringiriny EFF sy ny MK pôpilista.

Ho setrin'io fifanarahana io, voamarika fa i Julius Malema dia nilaza hoe, “Ny tantara no hitsara anareo, ary hitsara anareo amin'ny fomba henjana”. “Tsy governemantan'ny fampiraisam-pirenena io. Fa fiaraha-mitanana lehibe iarahan'ny ANC sy ny renivola mpanao ampihimamban'ireo fotsy hoditra.”

Araka ny anasongadinan'ity lahatsoratra Tik Tok ity, heverin'ny sasany amin'ireo mpandalina pôlitika fa idealy ny fifanomezan-tànan'ny ANC sy ny DA satria hahasarika ireo mpampiasa vola. Na izany aza, marobe ny olona hafa volon-koditra no milaza fa ataon'io antoko io loha-laharana ny tombontsoan'ny fotsy hoditra, fiampangàna iray lavin'ny DA. Fanampin'izay, nisy lahatsary iray nivezivezy tao anaty tambajotra ahitàna ny iray amin'ireo mpikambana ao amin-dry zareo, Renaldo Gouws, izay fotsy hoditra, ary re niantso ny hamonoana ireo olona Mainty fihodirana. Nesorin'ilay antoko i Gouws tamin'ny 20 Jona.

Raha be fanantenana ny sasany amin'ilay governemanta iraisan'ny ANC sy ny DA, ny hafa kosa tsy faly loatra amin'io.

Olona iray mpampiasa TikTok no naneho hevitra tao amin'ity lahatsary ity: “Tia tanindrazana aho raha momba an'i Afrika Atsimo. Ndeha isika hiaraka hiasa hihoatra ny fizarazaràna ara-poko ha hanompo an'i Afrika Atsimo amin'ny lafiny rehetra, fa tsy ireo olona mihevi-tena ho tsy misy mahita.”

Iray hafa mpampiasa Tik Tok nahatsiaro ho diso fanantenana no niteny hoe, “Namidin'ny ANC isika.”

Tsy ela akory izay, ny DA dia namoaka taratasy iray nalefa ho an'ny ANC nangatahana toerana minisitra miisa 11 sy ny toeran'ny lefitry ny filohan'ny antenimiera ary ny faniriany hanesorana ny tale jeneraly amin'ireo toerana ireo.

Araka ny notaterin'ny SABC news, ho setriny dia valinteniny manindrona no nomen'ny filoha Ramaphosa ho an'i John Steenhuisen, mpitarika ny DA, niampanga azy ho nanilika ireo teboka nifanarahana tany anatin'ny fifampiresahana momba ireo toerana anaty kabinetra. Tao anatin'ilay taratasy hitan'ny SABC, nolazain'i Ramaphosa fa nampahafantariny an'i Steenhuisen hoe manafintohina no fahitàn-dry zareo ilay taratasin'ny filoha federalin'ny DA, Helen Zille, manambany, ary tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana.

Nitodika tamin'ny fampiasàna tambajotra ny sasany tamin'ireo mpampiasa media sôsialy mba hizaràny ny fomba fijerin-dry zareo an'ireny fangatahana ireny.

Raha naneho hevitra tao anatin'ity lahatsary Tik Tok eto ambany ity, nanontany ny mpampiasa iray hoe, “Mbola afaka manova ny fisainany ve ry zareo ANC ka hiresaka amin'ny EFF, MK ireo hafa sa voafatotr'io ry zareo?”

Hoy ny iray mpampiasa ny X (Twitter taloha):

I am puzzled by GNU rumours alleging that the DA is demanding the Department of Trade and Industry despite its known position of rejecting positive measures to redress race based economic disparities to achieve substantive equality at all levels of the economy. Why would the DA… pic.twitter.com/Uo2eBnOj4m

— Prof Thuli Madonsela #KindnessBuilds (@ThuliMadonsela3) June 27, 2024

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/07/06/170419/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/