(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Ny fihetsiky ny Ghaneana tamin'ny fampindraman'ny UK ny harena sarobidy norobaina tamin-dry zareo [1]
['Zita Zage']
Date: 2024-02-07
Sambany tao anatin’ny 150 taona no hampodiana vonjimaika ilay akanjo regalia volamena sy volafotsy an’ny Fanjakana Asante (Ashanti), izay nangalarin’i Grande-Bretagne. Niditra tao amin'ny media sosialy ny Ghaneana mba haneho ny tsy fahafaliany momba ity fifanarahana fampindramana ity.
Araka ny notaterin'ny BBC, voalahatra haseho ao amin'ny Mozean'ny Lapan'i Manhyia ao an-tanànan'i Kumasi ao Ghana amin'ny faran'ity taona ity ho fahatsiarovana ny jobily volafotsin'ny mpanjaka Asante ireo entana ireo. Na izany aza, natao teo ambany fanekena fampindramana maharitra telo taona teo amin'i Otumfo Osei Tutu II, mpanjaka Asante ankehitriny, fantatra amin'ny anarana hoe Asantehene, izay nanatrika ny fanokanana ny Mpanjaka Charles III tamin'ny herintaona izany.
Nanao fanambaràna fa miara-miasa amin'ny Tranombakoka Victoria & Albert (V&A) any Londra sy ny Mozea Britanika ny Mozea Lapan'i Manhyia tamin'ny 22 Janoary, izay nanazava ny antsoin'izy ireo hoe “fiaraha-miasa ara-kolontsaina manan-danja.”
Fehezin'ny Lalànan'ny Mozea Britanika tamin'ny taona 1963 ireo mozea lehibe any UK, toy ny V&A sy ny Mozea Britanika mba tsy hamerina amin'ny fotoana maharitra ireo angon'entana ifandirana. Ny fifanarahana fampindramana no hany fomba ahafahan'ny mozea manamora ny famerenana ireo zavatra any amin'ny firenena niaviany.
Araka ny nambaran'ny BBC, fitambarana entana 32 no averina any Ghana: sombin-javatra 17 avy amin'ny V&A ary 15 avy amin'ny Tranombakoka Britanika. Anisan'izany ny mari-pamantarana telo mpanadio fanahy, saba-panjakana, satroka fanaovana amin'ny fombafomba ary valiha-harpa vita lasitra volamena. Azo tamin'ny lavanty tamin'ny taonjato faha-19 ny mari-pamantarana mpanadio fanahy, raha norobaina nandritra ny fifandonana tany amin'ny faritr'i Asante kosa ny sabatry ny fanjakana sy ny satroka amin'ny fombafomba. Na izany aza, tsy norobaina ilay valiha harpa vita lasitra volamena fa fanomezana ho an'ilay mpanoratra sady diplaomaty britanika, Thomas Bowdich tamin'ny taona 1817, ary natao ho fanomezana avy amin'ny Asantehene ho an'ny tranombakoka hanehoana ny harena sy ny satan'ny firenena Asante.
Niditra tao amin'ny media sosialy ny Ghaneana mba haneho ny tsy fahafaham-pony manoloana ity fifanarahana fampindramana ity.
Mpikirakira media sosialy maro no nanontany ny fomba hampindramana zavatra nangalarina tamin'ny tompony tany am-boalohany. Mpisera ao amin'ny X (Twitter taloha) nilaza hoe:
They are looted items. Looted means stolen. Why are they not being returned unconditionally with apologies? Why are they being loaned back to the original owners?
Does stealing confer ownership under certain circumstances?
— Sexy NickiMinaj (@therealmaameama) January 25, 2024
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/02/07/168221/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/