(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Nahoana i Kenya no miady amin'ny firongatry ny famonoana vehivavy? [1]
['Zita Zage']
Date: 2024-02-07
Ny Sabotsy 27 Janoary, nifamory ireo vehivavy sy feminista, tety anaty tambajotra sy teny an'arabe tao Kenya, mba hanohitra ilay voalaza fa fitomboan'isan'ny famonoana vehivavy, ary hitaky fandraisana andraikitra.
Araka ny lazain'ny The EastAfrican, ilay hetsipanoherana nanerana ny firenena, nomena anarana hoe ‘Diaben'ireo Feminista Hanoherana ny Famonoana Vehivavy,’ dia nitranga tany amina fari-piadidiana 11: Nairobi, Mombasa, Kisumu, Nakuru, Eldoret, Homabay, Turkana, Kilifi, Machakos, Kisii ary Nyeri, nahasarika mpandray anjara nihoatra ny 10.000.
Araka ny nitateran'ny UK Guardian azy, ny Femicide Count Kenya, ONG iray mandrakitra ireo famonoana vehivavy, dia naharakitra tranga 152, ny avo indrindra tato anatin'ny dimy taona farany. Ireo vovonana mpanadihady “Africa Uncensored” sy “Africa Data Hub” dia manombana fa manodidina ny 500 ireo vehivavy keniàna no maty nisy namono teo anelanelan'ny 2014 sy 2024.
2 weeks into 2024, headlines tell of women killed by men close to them. The cases only scratch the surface, countless deaths go unrecognized.
This Friday, with @AfUncensored & @Africa_DataHub, we launch “#SilencingWomen“: a database of femicide cases since 2016. #EndFemicideKE pic.twitter.com/kalubrYM0t
— VybeCast (@VybeCast) January 16, 2024
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/02/07/168282/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/