(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ao RDC, nampangain'ny mpanohitra ho feno hosoka ny fahalanian'i Félix Tshisekedi ho filoha indray [1]

['Jean Sovon']

Date: 2024-01-10

Voafidy indray ho filohan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo ho amin'ny fe-potoam-piasana faharoa i Félix Tshisekedi tamin'ny faran'ny volana Desambra 2023, saingy miatrika fanoherana avy amin'ny mpanohitra izay tsy mankatoa ny fifidianana azy.

Nambaran’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) tamin’ny 31 Desambra 2023 ny fahalanian'i Félix Tshisekedi indray ho amin'ny fe-potoana dimy taona faharoa taorian’ny fifidianana tamin’ny 20 sy 21 Desambra 2023. Araka ny vokatra, dia nahazo vato 73,34% avy amin'ny Kongoley ny filoha lany. Mpifidy maherin'ny 40 tapitrisa no nandrasana hifidy tamin'ireo mponina tombanana ho 100 tapitrisa mahery, saingy Kongoley 18 tapitrisa monja no nifidy, izay maneho ny taham-pandraisana anjara 43%.

Mizara ny sisa ambin’ny vato ireo kandidà hafa ho amin'ny fahefana faratampony. Nahazo 18,08% tamin'ny vato Moïse Katumbi, avy amin'ny antoko Ensemble pour la République (Miaraka ho an'ny Repoblika) sady governora teo aloha tao amin'ny faritanin'i Katanga (any atsimo-atsinanan'ny firenena); Nahazo 5,33% kosa i Martin Fayulu avy amin'ny antoko Fandraisana Andraikitra ho an'ny maha Olom-pirenena sy ny Fampandrosoana (Ecidé); Adolphe Muzito, praiminisitra teo aloha (2008-2012) teo ambany fitarihan'i Joseph Kabila, filoha teo aloha (2001-2019) afa-po tamin'ny vato 1,12%. Denis Mukwege, nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana tamin'ny taona 2018 kosa nahazo latsaky ny 1% tao anatin'ny anjoria ara-politika voalohany nataony.

Talohan'ny fifidianana dia efa nisy fanadihadiana maromaro nametraka an'i Félix Tshisekedi ho mahery indrindra amin'ny fifidianana. Araka ny fitsapa-kevitra natao tamin'ny 16 Septambra ka hatramin'ny 20 Novambra 2023 nataon'ny GeoPoll, barometatra ara-tsosialy sy ara-politika miorina ao Etazonia, mihoatra ny 70% ny Kongoley vonona hanome fe-potoam-piasana faharoa ho an'i Tshisekedi.

Namoaka ny valin'ny fitsapa-kevitra fahefatra nataon'ny GeoPoll tao amin'ny kaontiny X (ex-Twitter) ny fampahalalam-baovao The Voice of Congo:

Manamafy ny tarehimarika tamin'ny fitsapa-kevitra ny vokatra navoakan’ny Ceni, araka izany.

Saingy lavitra ny faneken'ny mpanohitra ireo vokatra ireo: tamin'ny 31 Desambra 2023, nanameloka ny fifidianana indray an'i Tshisekedi tao amin'ny kaontiny X ilay mpanohitra Martin Fayulu tamin'ny alàlan'ny hafatra an-dahatsary, ary manasa ny vahoaka Kongoley hanao hetsi-panoherana:

Etsy ankilany, miantso ireo Kongoley tao amin'ny kaontiny X hanao diabe milamina i Moise Katumbi, mpanohitra mba hitaky ny hanaovana fifidianana tena marina:

Après le simulacre d’élections organisé par la CENI, le peuple congolais a décidé – comme la Constitution lui en donne le droit – de se prendre en charge et de marcher pacifiquement pour exiger la tenue d’un vrai scrutin. Pour seule réponse, la population a rencontré les tirs et et la violence aveugle des forces de l’ordre. On dénombre plusieurs blessés. C’est inacceptable ! Je condamne énergiquement la répression dont les Kinois (les habitants de Kinshasa, capitale de la RDC) ont été victimes, parmi lesquels de nombreux partisans de #ECIDE, le parti-frère de @martinfayulu. Un point de non retour vient d’être franchi. Cette première marche sera suivie d’autres actions dans tout le pays. La tricherie, la fraude et le mensonge ne passeront pas. J’exprime ici ma compassion aux blessés et aux victimes de la dictature. Leur courage à défendre pacifiquement la liberté et la démocratie s’inscrit dans la ligne de nos héros. Tous ensemble nous sommes condamnés à reprendre en main notre destin. Un nouveau Congo est possible !

— Moise Katumbi (@moise_katumbi) December 27, 2023

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/01/10/167651/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/