(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Sri Lanka, mikarakara hetsika Pride (Fireharehàna) hitakiana ny fampitsaharana ny fanavakavahana [1]

[]

Date: 2023-06-30

Natao tao Sri Lanka, fa tamina toerana manokana tamin'ny taona 2005, ny hetsika LGBTQ+ Pride voalohany ary nahavory olona manodidina ny 300. Nandritra ny folo taona farany, nisedra ny fitomboan'ny hetsika hitakiana ny zon'ireo LGBTQ+ i Sri Lanka. Nanomboka nanomana hetsika Pride isan-taona atao ankalamanjana ilay vondrom-piarahamonina tohanan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa Equal Ground ary nahazo valiny mahafa-po izy ireo na teo aza ny fanoherana sasany. Nandritra ny hetsika tamin'ny taona lasa, sambany no niloko toy ny lokon'ny avana mampientana ireo arabe sasantsasany tao Kôlômbô renivohitra.

Tamin'ity taona ity koa, nisy andiana Pride nampientanentana sy nampahery notarihan'ny Equal Ground sy ireo fikambanana LGBTQ+ maro samihafa manao adisisika ho an'ny fitoviana sy mitaky ny fampitsaharana ny fanavakavahana. Tena zavadehibe io satria ny fahapelahana dia noheverina mandrakariva ho toy ny heloka bevava ao Sri Lanka ao anatin'ilay lalàna efa tamin'ny vaninandro fanjanahantany britanika. Kanefa, tamin'ny Aogositra 2022, nisy tolodalàna iray napetraka tao amin'ny parlemanta, ka tanjona tamin'izany ny hanao ny fahapelahana ho tsy heloka bevava sy hiarovana ny zon'ireo vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Io volavolam-panitsiana ny fehezandalàna famaizana io dia mety ho ankatoavina ny taona 2023, hanamarika dingana iray goavana mankany amin'ny zon'ireo LGBTQ+ ao Sri Lanka.

Ny hetsika voalohany tamin'ny volana dia ny Freedom Pride Parade 2023 natao tamin'ny Alahady 4 Jona, avy ao amin'ny Kianja Viharamahadevi ao Kôlômbô. Nilanja sorabaventy sy saina miloko avana ireo mpandray anjara hitakiany ny hampitsaharan'ny pôlisy ny sotasota atao amin'ireo olona LGBTQ+, sy ny hampitoviana ny fomba fitondra azy ireo. Notakian-dry zareo ihany koa ny handraràna ny fitsaboana ho famadihana, izay karazana fitsaboana samihafa, miainga avy amina fanafody manimba sy ny fikarakaràna ara-tsaina ary ny vavaka.

Nibitsika ny mpanao gazety Ranga Sirilal hoe :

The street march by the “Freedom Pride Parade” in Colombo today came as a private member’s motion was before parliament to decriminalise homosexuality in a nation that still follows anti-gay laws inherited from British colonial rulers. pic.twitter.com/KbIKebatlz

Nanamarika ny akademisiàna Pasan Jayasinghe tao anatin'ny randram-baovao Twitter mikasika ny Freedom Pride Parade fa natahotra ho voatafik'ireo mpanohana ny elatra havanana ireo mpikatroka :

4/ Sadly, the apprehension was also due to resistance from institutional quarters of the LGBTQI+ community, based on (understandable) fears of reprisal & some (not-so-valid) gatekeeping. Formalised activism often narrows the imagination, about what can be done & who is included. pic.twitter.com/2vo70Qdlqy

— pasan (@pasanghe) June 5, 2023

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/06/30/164769/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/