(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Nanjohy ny fibitabitahan'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany 2022 koa ry zareo Bangladeshis, saingy somary nanahirana kely ny tamin'ity taona ity [1]
[]
Date: 2022-11-29
Ny 20 Novambra teo no nanomboka tao Qatar ny andiany 2022 amin'ny FIFA Football Worldcup (Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany amin'ny Baolina Kitra), ilay hetsika ara-panatanjahantena be mpanaraka indrindra manerana izao tontolo izao. Raha mamely firenena maro manerana ny tany ny tazon'ny baolina kitra, i Bangladesh koa mba nanjohy ilay fibitabitahana, toy ny efa fanaony isaky ny efatra taona.
Natsangan'ireo mpankafy eny an-tafontrano ny sainan'ireo firenena mpandray anjara, nolokoiny graffiti maneho ireo mpilalao baolina kitra ny rindrina, lokoiny ho sainam-pirenen'i Brezila na Arzantina ny trano, metatra maro no soritany loko mitovy amin'ny sainam-pirenen'ireo ekipa malaza, ary vidiany ambongadiny ny fanamian'ireo ekipa isankarazany. Misy ihany koa ny vintana tsara hoe mety ao Bangladesh no vokarina ny fanamiana ho an'ireo mpankafy ny ekipa ankafizinao, na ny fanamiana ôfisialin-dry zareo.
Ny hetsika atao ao Qatar amin'ity taona ity dia voapentin'ny resabe manodidina ireo fiampangàna kolikoly tamin'ny nisafidianana an'i Qatar ho mpampiantrano tamin'ity taona ity, sy ny fahafatesan'ireo mpiasa mpila ravinahitra maherin'ny 6.500 teo anelanelan'ny 2010 sy ny Janoary 2021. Iray amin'ireo firenena manankarena indrindra eto an-tany, manana vahoaka manodidina ny 2,9 tapitrisa i Qatar, ka amin'io dia 70% — na 2 tapitrisa — dia mpiasa mpila ravinahitra avokoa izay nifindra monina tao mba hiasa tamina sehatra isankarazany. Manodidina ny iray tapitrisa eo ireo mpiasa mpila ravinahitra no miasa amin'ny sehatry ny asa fanorenana, ary manodidina ny 100.000 amin'izy ireny no niasa tamin'ny fananganana ny fotodrafitrasa ho an'ity fiadiana izay ho tompondaka erantany ity, tafiditra amin'izany ireo toeram-pilalaovana, ny toeram-ponenan'ireo mpilalao ary ny làlana. Araka ny antontanisa navoakan'ny The Guardian, dia avy ao Bangladesh ny 1.018 tamin'ireo mpiasa namoy ny ainy.
Samy nolavin'i Qatar, na ny filazàna fisiana kolikoly, sy ny hoe mifandray amin'ny resaka fiadiana ny amboara erantany ireo antontanisa miresaka fahafatesana mpiasa mpila ravinahitra, tamin'ny filazàna fa ny tarehimarika notanisaina dia mampiseho ny fahafatesan'ireo vahiny rehetra nandritra io fepotoana voalaza io. Nambaran'ny FIFA fa olona 3 monja no maty teny amin'ny toerana fanorenana fotodrafitrasa mifandray amin'ny fikarakaràna ny fiadiana izay ho tompondaka erantany, nefa ny fanamarinam-baovao iray nataon'ny Deutsche Welle dia mampibaribary fa ny tena tarehimarika dia mety hanodidina ny 40 any ho any, satria miovaova ireo tarehimarika milaza fahafatesana, arakaraky ny hoe azo faritana ho mifandray amin'ny toerana niasàna ve ilay antom-pahafatesana sa tsia.
Maninona ireo Bangla mpanakafy baolina kitra no tena mifikitra amin'i Brezila sy Arzantina?
Amin'ny ankapobeny dia manohana ekipa maromaro ry zareo Bangladeshis, indrindra fa ireo nahazo ny anarana Tompondaka Erantany tany aloha. Raha tsaraina avy amin'ny alàlan'ireo sainampirenena mihofahofa eny an-tafontranon'ireo mpanohana, anefa, dia mazava fa ny ekipan'i Brezila sy Arzantina no misitraka fahazoana mpanjohy be indrindra, ary nisy tatitra nilaza momba ny fifandonan'ireo mpankafy mpifanandrina noho ny fahasamihafan'ny tokimpanoavan-dry zareo.
Any amin'ny laharana faha-192 no misy an'i Bangladesh ao anatin'ny fampilaharana erantany nataon'ny FIFA ary tsy mbola nahita fahombiazana mihitsy tato ho ato teo amin'ny sehatry ny lalao baolina. Rehefa tsy misy tarika avy ao an-toerana azo tohanana ihany mandritra ilay fifanintsanana ho Tompondaka Erantany, dia entin-dry zareo amin-kafanam-po ny fanohanan-dry zareo ho any amin'ireo tarika iraisampirenena ankafiziny.
Raha ny nahazatra dia i Brezila (laharana 1) no tohanany na i Arzantina (laharana faha-3) ary betsaka ireo adihevitra momba ny antony mahatonga izany. Ity lahatsary YouTube tamin'ny 2018 ity, avy amin'i Plaantik, no mandinika ny mety ho antony mahasarika kokoa an-dry zareo Bangladeshis hirona amin'i Brezila sy Arzantina fa tsy amin'ireo ekipa hafa, saingy tsy mitondra valiny mazava.
Araka ilay lahatsary, tamin'ny 1982 no nanomboka nandefa mivantana ireo lalao ny fahitalavi-panjakana tao Bangladesh, ary nanomboka nalaza ny fahitalavitra miloko. Tany amin'ny andian-taona 1970s sy 1980s, fantatry ny ankizy avy amin'ny bokim-pianarany ny momba an'i Pelé sy Brezila, ary nazoto ery nanaraka ilay Arzantina kintan'ny baolika kitra Maradona sy ny fahombiazan'ny ekipany. Nisy mpankafy nivoaka sy niraiki-po tamin'ny fanjohiana ireo tarika roa ireo nandritra ireo taompolo nanaraka.
Vakio misimisy kokoa: FIFA World Cup, Memories From The Past (anglisy)
Fankalazàna ny Amboara Erantany amin'ny fomban-dry zareo ao Bangladesh
Iray amin'ireo marika amantarana ny Bangladeshi mpankafy baolina kitra ny fanofahofàna eny an-tafontrano ny sainampirenen'ireo firenena mpanjakan'ny baolina kitra. Rafid Ishtiaque, mpianatra amin'ny taona voalohany ao amin'ny departemanta momba ny toekarena ao amin'ny anjerimanontolon'i Dhaka, nibitsika hoe:
Just a glimpse of the excitement of the people of this part of the world for the upcoming FIFA World Cup 2022 and their love for Brazil and Argentina! #Bangladesh #FIFAWorldCup2022 #FIFAWorldCupQatar2022@FIFAWorldCup @CBF_Futebol @afa pic.twitter.com/dIeyejxzzO — Rafid Ishtiaque (@Rafid_Ishtiaque) November 18, 2022
Topimaso kely fotsiny amin'ny fientanentanan'ireo vahoaka aty amin'ity ampahan'izao tontolo izao ity ho an'ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany FIFA 2022 sy ny fitiavan-dry zareo an'i Brezila sy Arzantina! #Bangladesh #FIFAWorldCup2022 #FIFAWorldCupQatar2022@FIFAWorldCup @CBF_Futebol @afa pic.twitter.com/dIeyejxzzO
Matetika mifaninana ireo mpankafy ny ekipa samihafa mba hahitàna hoe ny mpanohana ny ekipa iza no mahavita sainampirenena lehibe indrindra. Ny mpanao gazety, Saif Hasnat, no nibitsika hoe:
A man in Bangladesh sold his mango garden to arrange money to make a four-km-long flag of South Korea! The man supports this Asian side in the FIFA World Cup. A cricket-crazy nation gets craziest during football World Cup!
https://t.co/43kQAudTYD — Saif Hasnat (@saifhasnat) November 12, 2022
Namidin'ny lehilahy iray ny saha famboleny manga mba hahazoana vola hanaovana sainampirenena koreàna tatsimo mirefy efatra kilaometatra! Io lafy aziatika amin'ny Amboara Erantany FIFA io no tohanan'ilay rangahy. Tratry ny fibitabitahana nateraky ny Amboara Erantany ilay firenena iray adalan'ny lalao cricket!
https://t.co/43kQAudTYD
Ny mpanao gazety ara-panatanjahantena ho an'ny tranonkalam-baovao ety anaty tambajotra, Shafayet Islam Niloy, nibitsika hoe:
Madness At Mymensingh As Argentina Fan Couple Hoist 1 Kilometer Long Flag Of Argentina. Coasted Them 50000 Taka. I'm Sure Most Of Them Doesn't Follow Much Football In 4 Year, But During #FIFAWorldCup 👀 @RoyNemer pic.twitter.com/2q4OpTmBYq — বাংলার ছেলে 🇧🇩 (@iSoumikSaheb) November 17, 2022
Firavoravoana be ao Mymensingh raha nanandratra sainampirenena arzantina mirefy 1 kilaometatra ny mpivady iray mpankafy arzantina. Nandanian-dry zareo vola 50.000 Taka. Azoko antoka fa tsy nanaraka loatra ny resaka baolina kitra tato anatin'ny 4 taona ny ankamaroan-dry zareo, fa mandritra ny #FIFAWorldCup 👀 @RoyNemer pic.twitter.com/2q4OpTmBYq
Niloy koa nibitsika sary misy ireo mpankafy nidina an-dalambe miaraka amina famoriambahoaka ho fanohanana ny ekipa ankafiziny:
Mpankafy Arzantina mivoaka mamonjy famoriambahoaka iray tao Sirajganj #Bangladesh For #FIFAWorldCup @LucasBeltramo @TheChiacch @Radio10 @RoyNemer @ESPNArgentina
Fahmaan, mpampiasa Twitter, mitatitra hoe nolokoina araka ny lokon'i Arzantina ny posiposy iray.
Ampahany iray hafa manandanja ny graffiti maroloko eny an-dàlana sy eny amin'ny rindrina. Md. Arafat Islam, mpampiasa Twitter, manasongadina graffiti iray avy ao Dhaka fahiny:
Isaky ny misy #FIFAWorldCup, Tratry ny fibitabitahana ateraky ny baolina kitra i Dhaka Fahiny ao Bangladesh. ⚽ Toerana: Kaltabazar, #Dhaka, #Bangladesh 🇧🇩#FIFAWorldCupQatar2022 pic.twitter.com/PtCJwLGlG4Z
Nayeem Hasan, injeniera, nibitsika hoe:
Any Dhaka, Bangladesh.
Manomboka amin'ny fomba ôfisialy ny #FIFAWorldCup. pic.twitter.com/Kyz9yOG1tH
Foysal, mpampiasa Twitter, mizara:
Tsapako izao fa toy ny efa miomana ho amin'ny @FIFAWorldCup. ireo mpankafy baolina kitra ao #Bangladesh Ampahany kely amin'ireo fiomanana avy ao amin'ny renivohitra #Dhaka (ilay fahiny) ampiarahana amin'ity hetsika ity.@FIFAcom#FIFAWorldCupQatar2022 #GreatestShowOnEarth#Bangladesh🇧🇩 pic.twitter.com/DYccJDGOK8Z
Shafayet Islam Niloy, mpanao gazety, nibitsika hoe:
Ankizy ao #Bangladesh manomana ny rindrin'ny faritra amina graffiti sy loko isankarazany ho an'ilay #FIFAWorldCup ho avy sy ho fanohanana an'i #Arzantina #Messi Saripika potsirina marobe 📍 Muktagacha, Mymensingh, Bangladesh
📸Hridoy Kumar Mahanta@RoyNemer @afa @ESPNArgentina @TNTSportsAR pic.twitter.com/aJdcFnkNuK
Ny zavatra mahaliana dia ny hoe ireo mpilalao amin'ireny ekipa ireny tsy mahafantatra akory na kely aza momba an'i Bangladesh na ireny mpankafy any ambadika ireny. Nefa ao anatin'ny vanimpotoanan'ny media sôsialy, tsikaritra ihany ny sasany amin'ireo ezaka. Ohatra, ny kaonty Twitter Argentinian Soccer News nizara zavatra marobe avy any Bangladesh.
Argentina 🇦🇷 fans in Bangladesh 🇧🇩 rallying with a mammoth 🇦🇷 flag what they claim to be the longest 🇦🇷 flag in the world. pic.twitter.com/bwqJyiER8v — ARG Soccer News ™ 🇦🇷⚽🚨 (@ARG_soccernews) November 13, 2022
Mpankafy Arzantina 🇦🇷 ao Bangladesh 🇧🇩 mifamory miaraka amina sainampirenena 🇦🇷 goavana be izay lazain-dry zareo fa ny sainampirenena lava indrindra 🇦🇷 eto amin'izao tontolo izo. pic.twitter.com/bwqJyiER8v
A son in Bangladesh 🇧🇩 who is an Argentina fan went on a hunger strike for dying the whole house in Albiceleste colour 🇦🇷 and the father had to fulfil his wish. He has 2 daughters who are Brazil 🇧🇷 fans and will have to dye his other house in Selecao colours. 😅 World Cup Craze. pic.twitter.com/YGOICuGICJ — ARG Soccer News ™ 🇦🇷⚽🚨 (@ARG_soccernews) November 11, 2022
Zanakalahy ao Bangladesh 🇧🇩 izay mpankafy Arzantina nanomboka nitokona tsy nisakafo mba hanekena ny handokoana 🇦🇷 ny trano manontolo tao Albiceleste ary dia neken'ny rainy ny faniriany. Manana zanakavavy roa izy izay mpankafy Brezila 🇧🇷 ary dia tsy maintsy handoko ilay tranony iray hafa amin'ny lokon'ny Selecao. 😅 Firohotana entin'ny Fiadiana ny Amboara Erantany. pic.twitter.com/YGOICuGICJ
Fahatsiarovana ny fandraisana anjaran'ireo mpiasa mpila ravinahitra tamin'ny fiadiana ny Amboara Erantany
Na nanamafy aza i Qatar fa hoe niroso tamina fanavaozana goavana ny sehatry ny asa ireo manampahefana, ny Human Rights Watch milaza fa taorian'ny 2018 izy ireny no tena nampidirina, fony efa vita ny betsaka tamin'ireo asa fanorenana mifandray amin'ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany, ary marobe ireo mpiasa nanampy tamin'ny fanorenana ireo fotodrafitrasan'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany no tsy nisitraka an'ireny fanavaozana ireny sy ny rafitra fanonerana.
Vakio misimisy kokoa: Qatar refuses payoffs to FIFA World Cup 2022 workers (anglisy)
Ilay mpanao gazety, Shafiqul Alam, lehiben'ny biraon'ny AFP ao Dhaka, dia nandeha nitsidika ny sasany tamin'ireo mpiasa Bangladeshis teny amin'ny toerana nanorenana ireo toeram-pilalaovana ao Qatar. Notantarainy tao amin'ny Facebook ny tantara avy amin'ny mpiasa iray, Atiar:
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/11/29/161096/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/