Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Vondrona ao Pasifika mankalaza ny herinandron'ny ranomasina amin'ny fanoherana ny fitrandrahana any an-dranomasina lalina any [1]
['Mong Palatino']
Date: 2022-06-21 00:00:00
Vondrona isankarazany ao Pasifika no nankalaza ny Herinandron'ny ranomasina sy Andron'ny Ranomasina tamin'ny 8 Jona, tamin'ny fanaovana antso handavana ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina (DSM) ao amin'ny faritra.
Ny DSM dia fomba fanao hikaohana ny fanambanin'ny ranomasina, izay loza mitatao ho an'ny fiainana anaty ranomasina sy ny rafi-piainana. Noho ny mety ho fiantraikany be, namolavola fitsipika hifehy ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanambanin'ny Ranomasina, izay mety hiditra hanan-kery amin'ny Jolay 2023. Hatreto, ireo firenena nosy ao Nauru sy Tonga dia samy naneho fahalianana amin'ny fikatsahana fepetra handraràna na hamerana ny DSM.
Ny tambajotram-paritra Pacific Blue Line dia mavitrika amin'ny fanoherana ny DSM ary mampitandrina ny amin'ny fomba vao mainka hihamafisan'ny fiantraikan'ny fiovaovàn'ny toetrandro izay efa mandravarava sahady ireo vondrompiarahamonina tanosy ao amin'ny faritra Oseania.
Natomboka ny fanangonantsonia iray hanetsehana ny olona hanohitra ny DSM. Ny Vovonan'ireo parlemantera ao Pasifika momba ny Fitrandrahana anaty Ranomasina Lalina no manohana ity hetsika ity, izay namoaka fanambaràna iray manasongadina ny lovam-panjanahantany mandravarava ao Pasifika sy ny fomba vao mainka entin'ny DSM manaratsy ny fitrandrahana ao amin'ny faritra, amin'ny anaran'ny fampandrosoana.
Nandritra ny Herinandron'ny Ranomasina natao tany am-piandohan'ny Jona, nikarakara vela-dresaka sy webinars ny Pacific Blue mba hanazavàna ny fomba mety hanimbàn'ny DSM , tsy ny tontolo iainana fotsiny, fa hatramin'ny fomba fiainan'ireo vondrompiarahamonina tanosy.
Awesome #ocean warriors sharing their perspectives on state of the Oceans and why is important to revitalise & defend it through collective action, in the face of growing ocean degradation by the collective @pacblueline#bantoprotect #deepseaminders #worldoceansday2022 pic.twitter.com/Tdr3otosUt
— PIANGO Pacific 2030 (@Pacific_2030) June 6, 2022
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/06/21/158366/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/