Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Manjary kianja iadiana ara-politika ny rindrankira ao Tiorka [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2022-06-06 00:00:00
Miteraka adihevitra ny andiam-pandraràna fampisehoana ao Torkia ka mirongatra ny fanakianana ny antoko eo amin'ny fitondrana “Rariny sy Fampandrosoana” (AK) noho ny fametrahana fameperana efa zary tarazo amin'ny olom-pirenena sy ny sehatry ny zavakanto.
Vao haingana indrindra, nofoanan'ny tompon'andraikitra ny fampisehoan’ilay Espaniola kinga amin'ny fitendrena lokanga, Ara Malikian, izay nokasaina hatao amin'ny 11 Jona kanefa tsy misy antony mazava. Niahiahy ny sasany fa nofoanana ny fampisehoan'i Malikian noho ny maha-taranaka Armeniana azy. Efa ela i Armenia sy Tiorkia no nifanditra ary vao haingana no nanomboka nihatsara.
Tamin'ny 25 Mey lasa teo, nofoanan'ny rektôràn'ny Oniversite Teknikan'i Afovoany Atsinanana (METU) ny Fetiben'ny Lohataona Iraisam-pirenena METU faha-34 amin'ny lazaina ho fanomezam-boninahitra ny famoizana mpiasa iray tao amin'ny tafika Tiorka noho ny Operation Claw-Lock, hoy ny tatitry ny Bianet. Natomboka tamin'ny volana Aprily 2022 tany avaratr'i Iraka ny hetsika, izay nofaritan'ny filoha sady Filohan'ny Antokon'ny Fitondrana Rariny sy Fampandrosoana (AKP), Recep Tayyip Erdoğan ho hetsika “iadiana amin'ny fampihorohoroana”, mba “hanesorana ireo mpampihorohoro eo amin'ny tanin'ny Irakiana ary hiantohana ny fiarovana ny sisintanintsika,” hoy i Erdogan tamin'ny 20 aprily.
Tamin'ny 25 May, nofoanan'ny tanànan'ny biraon'ny Governoran'i Bursa ny fampisehoana ho avy tokony ataon'ilay mpanakanto Kiorda Mem Ararat noho ny antony lehibe indrindra dia ny filaminam-bahoaka. Na izany aza niahiahy ny olom-pirenena sasany fa noho ny fitsarana an-tendrony sy ny fifanenjanan'i Torkia amin'ny vahoaka Kiorda no anton'izao fanapahan-kevitra izao.
Mandritra izany, nofoanana ihany koa ny fampisehoana telo farafahakeliny nokasaina hatao ao anatin'ny Fetiben'ny Raozy ao amin'ny faritanin'i Isparta any Torkia. Araka ny tatitry ny Bianet, nofoanana ireo fampisehoana taorian'ny fanambaràna navoakan'ny Fikambanamben'ny Tanora Nasionaly pro-Islamika (MGV) sy ny Fikambanana Tanora Anatoliana (AGD) Sampana Isparta fa nikarakara fampisehoana “manohitra ny fitondran-tena sy ny finoana eo anivon'ny fiarahamonina” ny kaominina Isparta
Tamin'ny 23 May, nofoanan'ny kaominina Pendik ao Istanbul ny fampisehoana mpihira Kiorda iray hafa, Niyazi Koyuncu. Nambaran'i Koyuncu tamin'ireo mpanaraka azy tao amin'ny Twitter ny fanapahan-kevitry ny kaominina milaza fa tsy afaka mamela mpiangaly mozika hanao fampisehoana “tsy mitovy soatoavina sy foto-kevitra amin'ny kaominina” izy ireo.
Nofoanana ihany koa ny fampisehoan'i Apolas Lermi, izay nokasaina hatao any amin'ny faritanin'i Denizli any Torkia sy any Istanbul. Araka ny filazan'ny Bianet, nofoanana ny fampisehoan'ilay mpanakanto taorian'ny fampisehoan'i Lermi “tamin'ny hetsika nokarakarain'ny Kaominina Metropolitan Istanbul notarihan'ny mpanohitra tamin'ny 19 Mey”.
Tamin'ny volana Mey ihany koa, nanafoana ny fampisehoan'ny tarika K-Pop Mirae ny tompon'andraikitra ao Ankara renivohitr'i Torkia rehefa voatsikera antserasera ny tarika fa pelaka sy voalaza fa mampiroborobo ny firaisan'ny samy lehilahy na samy vehivavy. Nitatitra ilay mpanao gazety Ceyda Nurtsch ao amin'ny DW tamin'ny herintaona, fa eo am-piadiana hevitra momba ny fandraràna ny rakitsary K-Pop ny manampahefana Tiorka.
Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nofoanan'ny kaominina ao amin'ny faritany maromaro ireo fampisehoana sy hetsika ara-kolontsaina nokasain'ireo mpanakanto Kiorda hotontosaina, anisan'izany ilay mpihira sady Kiorda Alevi Aynur Doğan, mbamin-dry mpihira Metin sy Kemal-Kahraman. Tsy nomena fanazavana momba ny fanafoanana ny fampisehoany ireo mpanakanto ireo.
Naneho ny fanakianany ny fandraràna ny fampisehoan'i Doğan, nizara ny iray amin'ireo hiran'i Doğan malaza amin'ny teny Kiorda, Dar Hejiroke, tao amin'ny Twitter i Kemal Kılıçdaroğlu, filohan'ny Antokom-bahoaka Repoblikana mpanohitra (CH) ary nanampy hoe:
Tsy vao sambany no niatrika fandraràna ireo mpanakanto Kiorda. Araka ny tatitry ny Bianet, fampisehoana sy tantara an-tsehatra Kiorda maherin'ny 20 no voaràra tao anatin'ny telo taona farany tao Torkia.
“Sarotra ny mahatakatra ny zavatra ataon'ity governemanta ity,” hoy i Faik Oztrak, mpitondra tenin'ny antoko mpanohitra nandritra ny lahateny ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 20 May. “Malalaka ny mihira hira Kiorda any Torkia. Sarotra ny mahatakatra hoe nahoana no nofoanana ny fifanarahana toy izany.”
Tamin'ny fahavaratra lasa teo, rehefa nambara ny fikasana hanaisotra ny fameperana COVID-19 sisa tavela, dia nampiditra fameperana vaovao amin'ny hetsika mozika rehetra ny fanjakana, mitaky amin'izy ireo mba hifarana amin'ny misasakalina. “Miala tsiny aho, fa tsy misy olona manan-jo hanakorontana na iza na iza amin'ny alina,” hoy i Erdoğan tamin'ny Jona 2021. Nanomboka nalaza avy hatrany tao amin'ny Twitter Tiorka ny tenifototra #Kusurabakiyoruz (tsy mamela anao izahay), izay ahitana olom-pirenena sy mpitendry mozika marobe naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny fandrarana vaovao. Taorian'ny fitarainana, nanambara tamin'ity volana ity ny minisitry ny atitany fa havela hatramin'ny 1 ora maraina ny mozika mivantana, fa tsy amin'ny misasakalina intsony
Raha niresaka tamin'ny AlMonitor, nilaza ilay antrôpôlôgy sady mpanao gazety Ayse Cavdar fa “endrika herisetra an'ohatra” ny fandrarana.
“Tsy ny hira no tena anton'ity fandraràna ao Tiorkia ity, fa fandraràna fivorian'olona. Misy ireo toerana ho an'ny daholobe izay mampiahiahy fitondran'i Erdogan — ohatra, ny trano fisotroana,” hoy i Yektan Turkyilmaz, antrôpôlôgy ao amin'ny “Centre for Eastern Mediterranean Studies (Foibe Fianarana an'i Mediteranea Atsinanana)” ao amin'ny ny Anjerimanontolon'i Eoropa Afovoany any Vienne, nilaza tamin'ny Al Monitor tamin'ny tafatafa iray.
These are the cultural antithesis to what Erdogan stands for; places he knows people are mostly critical of him. Next, there is a social class aspect. These bans are applied to middle and upper-middle groups; they are the ones going to bars or concerts after midnight mostly. Music could generate potentially dangerous messages. Last, Erdogan must now be thinking the time is ripe to alter the cultural codes of Turkey.
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/06/06/158005/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/