Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Afa-po tamin'ny fanamelohan'ny fitsarana alemà ilay tompon'andraikitra tao amin'ny sampa-pitsikilovana teo aloha ireo Syriana tafita velona tamin'ny fampijaliana [1]
['Okba Mohammed']
Date: 2022-01-25 00:00:00

Nidera ny didim-pitsarana nivoaka tamin'ny 10 ora maraina ny Alakamisy 13 Janoary avy amin’ny Fitsarana Koblenz any Alemaina ireo tafita velona tamin'ny fampijaliana tao amin'ny fonja Syriana, nanameloka an'i Anwar Raslan, manamboninahitra teo aloha tao amin'ny fitondrana Syriana, tamin’ny heloka bevava atao amin’ny maha-olona. Maro ihany koa no nitaky ny hampitsaharana ny fampijaliana ireo havan-tiany izay mbola tazonina any amin'ny fonja Syriana.

Taorian'ny fitsarana naharitra efa ho roa taona, voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny kolonely teo aloha Raslan rehefa hita fa meloka tamin'ny famonoana olona maherin'ny 30, ary nanao herisetra ara-nofo sy nampijaly mpikatroka mpanohitra maherin'ny 4.000 tao amin'ny Sampana laharana faha 251 malaza amin'ny sampam-pitsikilovana, fantatra amin'ny anarana hoe Al-Khatib, teo anelanelan'ny taona 2011 sy 2012.

Nanoratra tao amin'ny Twitter i Fadwa Mahmoud, vehivavy Syriana monina any Alemaina:

Tompon’andraikitra ao amin’ny sampa-pitsikilovana Syriana hatramin'ny 2012 i Anwar Raslan, sady mpialokaloka ara-politika tany Alemaina nanomboka tamin'ny taona 2014, izay nampavitrika azy tao amin'ny mpanohitra ara-politika taorian'ny nialany tamin'ny fitondrana Syriana ary nandraisany anjara tamin'ny fifampiraharahana tany Genève tamin'ny taona 2014.

Na izany aza, tsy niaro azy tamin'ny didy fampisamborana navoakan'ny mpampanoa lalàna Alemà izany, ka tsy nisakana ny fisamborana azy tamin’ny 13 Febroary 2019, niaraka tamin'ny tompon’andraikitra iray hafa ambany grady ao amin’ny sampam-pitsikilovana, Iyad Gharib. Efa ho herintaona lasa izay, voasazy higadra efa-taona sy tapany i Gharib noho ny firaisana tsikombakomba tamin'ny heloka bevava atao amin’ny maha-olona.

Ny sazy, izay nofaritan'ny Human Rights Watch ho “manan-tantara,” no voalohany nampiharina tamin’ny tompon'andraikitra ambony avy amin'ny fitondrana Bashar al-Assad noho ny fampijaliana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Nilaza tao amin'ny lahatsary iray navoakany tao amin'ny Twitter i Omar Alshogre, mpikatroka iray tafita velona tamin'ny fampijaliana nandritra ny telo taona tao amin'ny fonja miafina Syriana, fa mamelom-panantenana indray ny didy ho an’ny Syriana fa ho lavo ny fitondrana:

Araka ny tatitry ny fampitam-baovao, namoaka ny didim-pitsarana mikasika an'i Raslan ny fitsarana alemà avy amin'ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tafita velona miisa 100 tamin'ny fampijaliana tao amin'ny Sampana laharana faha 251 izay nifanatrika tamin'ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny fanadihadiana ao amin'ny sampana, Anwar Raslan, ary nanome fitantarana amin'ny antsipiriany momba ny fanararaotana ara-batana sy natao am-bava.

Taorian'ny fandavana tanteraka, nanitsy ny fanambarany tamin'ny tohan-kevitra famaranana i Raslan ary niaiky ny fisian'ny fampijaliana sy ny famonoana ireo voafonja tao anatin'ny sampana, saingy nandà ho tsy tompon’andraikitra izy.

Nanoratra i Yassin Al Haj Saleh, mpikatroka Syriana:

Nandritra izany fotoana izany, nanoratra tao amin'ny Facebook i Mansour al-Omari, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona sady voafonja teo aloha:

The Koblenz Supreme Court: Life imprisonment for Anwar Raslan for crimes against humanity including torture, 27 murders, and sexual violence. Torture is among the most serious international crimes. Al-Assad’s institutions of torture must ended, not normalized and rehabilitated.”

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/01/25/155672/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/